<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.H. Knecht</author>
<title>Jehovah no Ampinga FFPM463</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah no Ampinga
 Sy Masoandro koa,
 Hiaro amin-doza
 Sy hanazava koa.

[V2]
 Ka tsy handresy ahy
 Izay fahavaloko ;
 Na ota na devoly
 Ho resy avokoa.

[V3]
 Ka raha alaim-panahy
 Na misy izay manjo,
 Hanatona Azy aho
 Hakako hery koa.

[V4]
 Rehefa tapitra andro,
 Ka tonga amiko
 Izay hialako aina
 Dia tsy ho tahotro.

[V5]
 Ny lanitra haleha
 Sy hitoerako ;
 Hidera an'i Jeso
 Mandrakizay doria.</lyrics>
<hymn_number>463</hymn_number>
</song>